Sekoly Alahady (SSA)
Atoa RAKOTONIRINA Arsène
Tél : 261 33 12 949 86
E-mail :
sekolyalahady@flm67ha.org

Vaovaon’ny Sekoly Alahady :

Fanentanana mikasika ny firotsahana ho mpikambana sakaizan’ny Sekoly Alahady :

Manana tanjona lehibe ny Sampana Sekoly Alahady mikasika ny asa Masina izay hatao amin’ireo zanantsika sy fampiroboroboana ny sampana ka toy izao izany :

  1. Miisa 90 eo ho eo ny mpampianatra ary ny 2/3 dia mbola mamita fianarana avokoa.
  2. Miisa 1400 eo ho eo isany mpianatra.
  3. Sarotra ny fitantanana ny Sampana satria tahaka ny mitantana Sekoly lehibe iray no fitondra azy. Ireto avy ireto asa tsy maintsy sahanina mba hampandrosoana ny asa :
    a) Tsy maintsy miofana in-droa isan-taona ny mpampianatra.
    b) Tsy maintsy mampiditra mpampianatra vaovao isan-taona ary mampiofana azy ireo mandritra ny herintaona
    d) Tsy maintsy mizara valisoa ho an’ny mpianatra ary anisan’izany ny fankasitrahana ireo nahazo voalohany amin’ny Kilasy mirazotra (zokiny) amin’ny alalan’ny fankanesana any aminn’y Tobilehibe Ankaramalaza mamonjy ny isan-taona.
    e) Tsy maintsy mividy ireo fitaovana ilain’ny mpampianatra entiny manantontosa ny fampianarany.
    d) Ankoatr’ireo ny adidy tsy maintsy haloa amin’ireo ambaratongan-drafitra eo amin’ny Fiangonana (Fitandremana, Fileovana, Synoda).
  4. Ireo rehetra ireo no ilana ny sakaiza mpanohana, satria tsy ho vita ny mpampianatra irery ny asa fa mila anareo Raiamandreny sy namana aman-tsakaiza mba hirotsaka ho Sakaizan’ny Sekoly Alahady.