FAMARITANA : Ny Faritra dia lamina itsinjarana ny Kristiana mpikambana eto amin’ny FLM Toby Fanantenana 67 ha araka ny toerana onenany avy mba halavorary ny asan’ny Fiangonana sy ny fanentanana azy
FIZARAM-PARITRA : Misy faritra 15 ny ato amin’ny FLM Toby Fanantenana 67 ha :
| Faritra 1 | Itaosy sy ny manodidina |
| Faritra 3 | Andohotapenaka, Ankasina sy ny manodidina |
| Faritra 4 | Anosipatrana, Andavamamba sy ny manodidina |
| Faritra 5 | 67 Ha Atsimo |
| Faritra 6 | 67 Ha Avaratra |
| Faritra 7 | Isotry, Ampefiloha sy ny manodidina |
| Faritra 8 | Antohomadinika, Ankazomanga sy ny manodidina |
| Faritra 9 | Manjakaray sy ny manodidina |
| Faritra 10 | Analakely sy ny manodidina |
| Faritra 11 | Besarety sy ny manodidina |
| Faritra 12 | Isoraka sy ny manodidina |
| Faritra 13 | Soanierana sy ny manodidina |
| Faritra 14 | Mahamasina sy ny manodidina |
| Faritra 16 | Ambanidia sy ny manodidina |
| Faritra 17 | Ambohimanarinana sy ny manodidina |
ANDRAIKITRA : Najoron’ny Fiangonana ny faritra mba hanatontosana ireto andraikitra ireto :
- Miahy ny fiainam-panahin’ny Kristiana mpikambana sy mandavorary ny fifandraisana amin’ny samy mpiray faritra
- Mamangy ny mpikambana mangatsiaka ara-panahy
- Miara-mandavorary amin’ny Departemanta ny Tafika Masina sy ny fitoriana ny Filazantsara ataon’ny FLM Toby Fanantenana 67 ha any aminy
- Manantanteraka ny fiaraha-mivavaka ny mpiray faritra
- Misolo tena ny Fiangonana amin’ny famangiana ny mpikambana na an-kasoavana na an-karatsiana
- Manao ezaka fanohanana ny asan’ny Fiangonana sy fampandehanana ny raharahan’ny faritra
- Manantanteraka ny asa izay ampanaovin’ny Komitin’ny Fiangonana azy sy izay iarahan’ny miasa mivantana amin’ireo sampana eto amin’ny Fiangonana
Kendrena ho sehatra sy fampitaovana hahafahana manorina ny zanam-piangonana ato amin’ny FLM Toby Fanantenana 67 ha ny faritra
KOMITIN’NY FARITRA :Manana Komity ny faritra tsirairay, ka ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo no mifidy izany. Ny Komitin’ny faritra no mandinika mialoha ny raharaha hatolotra hotapahan’ny fivoriam-ben’ny faritra sy manantanteraka ny fanapahan-kevitra
BIRAON’NY FARITRA : Manana Birao ny Komitin’ny faritra. Ny filoham-paritra no filohan’ny Birao. Fidin’ny Komitin- paritra avy ao aminy ihany ny mpikambana ao amin’ny Birao.Ankoatry ny Filoha dia ahitana ireto farafahakeliny ny mpikambana ao anatiny : Filoha Lefitra, Mpitahiry vola, Mpitantsoratra voalohany sy faharoa. Ny birao no mamolavola ny hevitra hodinihin’ny komity.
FILOHAN’NY FARITRA : Manana solon-tena ao amin’ny Komitim-piangonana ny faritra tsirairay ka ny mpandray ny fanasan’ny Tompo rehetra ao amin’ny Fiangonana no mifidy mivantana azy ireo avy amin’ny kandidà notolotry ny Komitin’ny faritra. Arakaraky ny habetsahan’ny mpandray fanasan’ny Tompo ao amin’ny faritra no mifidy ny filohany ary mpikambana avy hatrany ao amin’ny Komitim-piangonana. Izy no misolon-tena ny faritra eo anatrehan’ny Fiangonana.
FIVORIANA : Manana fotoam-pivoriana ny faritra ary saika isam-bolana no anantanterahana izany eo ambany fitarihan’ny filoha. Ao amin’ny fivoriana no andinihin-draharaha sy anapahan-kevitra ary anaovana fotoam-pivavahana no sady anaovana fety ihany koa raha ilaina izany.
ZANA-PARITRA :Mba hahamora ny fisahanana ny asa dia notsinjaraina ho zanam-paritra na "secteur" koa ny faritra. Ny zana-paritra dia misy tompon’andraikitra izay mitarika ny fanantanterahana ny asa ao aminy.
VAOMIERA :Afaka manangana vaomiera ny faritra tsirairay.Mety ho vaomiera maharitra izany na tsy maharitra arakaraka nyilan’ny faritra azy.Misy mpitarika koa ny vaomiera.
SORITR’ASA : Manana soritr’asany avy ny faritra tsirairay. Miompana amin’ny fampandrosoana ny faritra sy ny Fiangonana izany.Afaka manao rakitra, valopy, vokatra na fitadiavam-bola tsy mifanohitra amin’ny Soratra Masina izany.
ANTOKOMPIHIRA : Misy ny faritra manana antokompihira izay mandray anjara amin’ny fanompoam-pivavahana ao am-piangonana sy hetsika rehetra tanterahin’ny Fiangonana .

