ANDRAIKITRA


And. 1 : Ny Fiangonana Loterana Toby Fanantenana 67 Ha, miorina eto Antananarivo Renivohitra ao amin’ny Fokontany 67 ha atsimo, dia miombona amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy ka manaiky sy manaraka ny Foto- pinoana sy ny Lalàm- panorenana ary ny Fitsipika manan-kery ao amin’izany Fiangonana izany.

And. 2 :Araka ny andininy faha –12 - 21 ao amin’ny Lalàm-panorenan’ny FLM, tamin’ny taona 2001, ny Fitsipika Anatiny dia novolavolaina ho enti-mamaritra ny sehatra iasana sy mandrindra ny asa ary mametraka ny fomba fiasa sy ny fitantanana ny vola amam-pananan’ny Fiangonana .

And. 3  : Manana izao jeri-tanjona (vision) izao ny Fiangonana :
 “Ny Fiangonana Loterana Toby Fanantenana 67 ha, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia : Fiombonana Masina (Koinonia) mitombo amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy (Didaché) ka mijoro ho vavolombelon’ny Filazantsara (Kerygma) sy miroso mavitrika amin’ny asa fanasoavana ny mpiara-belona (Diakonia) anaty fizakan-tena."

And. 4 : Ho fandavorariana ny fikendren’ny FLM, araka ny andininy
 faha-5 amin’ny Lalàm-panorenana (2001) dia manangana ireto
 sehatra ireto hanatanterahany ny asany ny Fiangonana :
 (1) Fitaizam-panahy ho amin’ny Fiombonana Masina ;
 (2) Fanabeazana Kristiana ;
 (3) Fitoriana ny Filazantsara sy Asa Misiona ;
 (4) Fanasoavana sy Fampandrosoana ;
 (5) Fitandremam-pananana sy Fampitaovana ary Fanorenana.

And. 5 : NY FIKENDRENY
 5.1.Fanamafisana ny fiombonan’ny Fiangonana, amin’ny fifankatiavana sy ny fiaraha-miasa, ato anatiny sy amin’ny eo ivelany, hiainana feno amin’ny maha-fiangonana tenan’i Kristy. Fanatevenana ny fampianaram-pinoana sy ny fanabeazana kristiana, amin’ny Sampana, ny Departemanta, ny Toby ary ny Fiangonana manontolo, hitomboan’ny aim-panahy sy ny fanoloran-tenan’ny mino ho amin’ny fijoroana ho vavolombelona, sy firosoana bebe kokoa amin’ny asa fanompoana ataon’ny Fiangonana.
  5.2.Fampitarana ny Fitoriana ny Filazantsara, amin’ny teny sy ny asa amin’ny akaiky sy amin’ny lavitra, ampiasana fitaovan- tserasera samihafa.
 5.3.Firosoana mavitrika sy voarindra tsara amin’ny asa fanasoavana sy fanasitranana ary fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo, ato anatiny sy eo amin’ny fiaraha-monina, mba hiainan’ny olona feno amin’ny hasina maha-zanak’Andriamanitra azy.
 5.4.Fampitaovana ny Fiangonana sy fiahiana ny Toby Fanantenana 238-67ha amin’ny fampisiana rafitra sy fitaovana ary ny ho enti- manana rehetra ilaina hanatanterahana ny Jeri-tanjona.

And. 6 : NY ASANY
 6.1Mitaiza sy manabe ara-tSoratra Masina sy araka ny Foto-pinoana Kristiana ny mpikambana ao aminy mba hahatanterahany ny Fikendreny voasoritra amin’ny And-5.
 6.2Manatanteraka, amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ireo Programa sy Soritr’asa ao amin’ny Planina 5 taona.
 6.3 Manomana sy mampiofana ireo mpiandraikitra samihafa misahana ny asan’ny Fiangonana.
 6.4 Miantoka sy mikarakara ny fivelomana sy ny fahasalamana, ny trano fonenana ary ny fitaovan’ ny mpiasan’ny Fiangonana, araka ny fepetra manan-kery voasoritry ny Lalàm-panorenan’ ny FLM.
 6.5 Mampisy sy manatsara ny fanaka sy ny fitaovana ampiasan’ny  Fiangonana sy ny mpiasa, ary koa mampisy trano sy efitrano ary fomba samihafa araka izay ilain’ny Fiangonana sy ny vondrom-  pikambanana rehetra ao aminy.
 6.6 Manefa ny adidy eo an-toerana sy ny adidy iombonana rehetra eo amin’ny Fileovana , ny Synodam-Paritany ary ny Synoda Lehibe, sy ny Fiombonam-be toy ny FFPM sy ny FFKM mbamin’ny Sampana ao aminy avy.
 6.7 Manohana ny Fifohazam-panahy miray amin’ny FFPM ary miara- miasa akaiky amin’ireo Tobilehibe efatra.
 6.8 Manampy sy manohana ny toeram-panofanana ny Pastora, dia ny Sekoly Ambony Loterana momba ny Teolojia (SALT) sy ny Seminera Teolojikam-Paritany Loterana (STPL) izay iandraketan’ny Synodam-Paritany Antananarivo.
 6.9 Manampy ny zanaky ny Fiangonana mianatra any amin’ny STPL sy ny SALT.
 6.10 Manohana ny Sampan’Asa Iiombonana ato amin’ny SPAnta, toy ny Sekoly, ny Akany Marenina, ny Radio, ny Tobim-pitsaboana Loterana, ary koa ireo izay tantanan’ny FFPM eto Antananarivo.

And.7 : Ny mpikambana eto amin’ ny Fiangonana dia ny kristiana vita Batisa rehetra, voasoratra ao anatin’ny boky ministerialin’ny Fiangonana. Ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo, izay antsoina hoe : “Mpikambana tompon’andraikitra” (membres responsables) dia omena ny « karatra maha-mpandray » azy, ary manana anjara adidy manokana amin’ny fiantohana ny asan’ny Fiangonana.

And.8 : Ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo ihany no manana zo hifidy sy hofidina ho Komitin’ny Fiangonana na ho Mpiandraikitra amin’ny raharaha samihafa eto amin’ny Fiangonana, toy ny Sampana, Departemanta, Faritra.

And.9
:Ny mpikambana tsirairay dia manana adidy hanohana ny Fiangonana amin’ny alalan’ny vavaka, ny vola sy fitaovana ary ny asa antsitra-po ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra.

And.10
:Ny mpikambana tsirairay dia miroso mavitrika amin’ny fampianaram-pinoana sy ny fanabeazana rehetra atolotry ny Fiangonana hahatanteraka izay voalaza ao amin’ny  Efes 4:15 : “mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy”.