French (Fr)English (United Kingdom)Malagasy(Mg)
Flm67ha
...Ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra
(Efesiana. 2:20)


Teny fanolorana

Fifaliana mandrakariva no andraisana anao mitsidika eto amin’ny tranokalan'ny FLM  Fanantenana – 67 ha. Arahabaina ianao vita soa ny fotoan’ny Karemy ka nahatratra ny Paska Fampihavanana.

Ankehitriny isika dia miaina ny fandresen’i Kristy, araka ny tenin’i Paoly amin’ny Rom 6: 4b hoe: “…mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao”. Ireo Alahady enina manaraka ny Paska izay iainantsika amin’ny fiainam-pandresena dia nomen’ny Fiangonana hatramin’ny ela ny anarany avy, izay mamaritra ny fotokevitra banjinina sy masahina ao anatiny. Ireto avy ireo Alahady ireo: (1) Quasi modo geniti (toy ny zaza vaoteraka, I Pet 2: 2a), (2) Misericordia Domini (ny famindrampon’ny Tompo, Sal 33: 5b), (3) Jubilate (mihobia, Sal 66:1), (4) Cantate (mihirà, Sal 98: 1a). (5) Rogate (mivavaha, Jao 16¨24 b), (6) Exaudi (mihainoa, Sal 27: 7a).

Ao anatin’ireo Alahadim-pandresena ireo dia miomana sahady koa isika amin’ny fankalazana ny PENTEKOSTA FAHAMARINANA. Izany dia ankinina amin’ny faneva hoe: “Izaho hanome anareo Mpananatra hafa… dia ny Fanahin’ny fahamarinana” (Jn 14: 17a). Ny herinandro fito mialohan’ny Pentekosta dia handinihana lalina ny amin’ny fizian’ny Fanahy Masina sy ny asa, izany hetsika izany dia oena anarana hoe: DIMAMPOLO ANDRO MIARAKA AMIN’NY FANAHY MASINA. Hisy fampianaram-pinoana arahim-panontaniana hatao ao am-piangonana isaky ny Alarobia hariva manomboka amin’ny 06:00 hariva.  Ny fotoana voalohany dia ny Alarobia 18 Aprily ary ny farany dia ny Alarobia 23 Mey.

Ny kendrena amin’izany “Dimampolo andro miaraka amin’ny Fanahy Masina” izany dia ny hahafantsika mandalina ny asa lehibe ataon’ny Fanahy Masina amin’ny Fiangonany sy amintsika mino tsirairay, ka hahazoantsika mankalaza ny Pentekosta araka izay tena tandrify izany!

Ao anatin’izany Dimampolo andro izany dia hankalaza ny Ascension na ny andro Niakaran’ny Tompo isika. Izany dia ny Alakamisy 17 Mey. Hisy fotoam-pivavahana ara-litorjia ao am-piangonana ny maraina manomboka amin’ny 08:00. Amin’ny tolakandro kosa dia  hisy Concert “amboaram-pihobiana” atolotry ny Mpiomana Taona I.

Ny andron’ny Pentekosta, Alahady 27 Mey, dia hankalazaina amin’ny fomba manokana mba hisehoan’ny maha-fiangonam-pifohazana, velomin’ny Fanahy Masina antsika. Antenaina fa ho feno hipoka ihany koa ny trano sy ny tokontanim-piangonana tahaka ny tamin’ny Paska. Ho lazaina amin’ny Filazan-draharaha ny endrika hisehoan’izany.

Isan’ny hanamarika izao Pentekosta Fahamarinana izao koa ny fandraisana ireo Konfirmanda sy Katekomena, kristiana hifindra ho FLM ary mariazy miara-mizotra, ny Alatsinainy 28 Mey: Alatsinain’ny Pentekosta. Miisa eo amin’ny 300 ny fitambaran’ireo horaisina. Misy fandraisana ny Fanasan’ny Tompo io andro lehibe io.

Miandrandra andro lehibe isika, ka manantena araka ny tenin’ny Tompo hoe : “Fa raha tonga ny Mpananatra, izay hirahiko ho aminareo avy amoin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny Fahamarinana, Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no vavolombelona hanambara Ahy” (Jn 15: 26)

 

Pastora Dr. Péri RASOLONDRAIBE, Mpitondra Fitandremana

 

  • 1
  • 2
Akon'ny Fanatenana Akon'ny Fanatenana Fandaharana atolotry ny FLM Toby Fanantenana 67 ha ho antsika isaky ny alakamisy amin'ny 06 sy sasany hariva ao amin'ny Radio Teny Fiainana ...
« Unité dans la diversité »: LANONANA FIFAMPIARABANA TRATRY NY TAONA VLM 67HA « Unité dans la diversité »: LANONANA FIFAMPIARABANA TRATRY NY TAONA VLM 67HA Tontosa ny tontolo andron’ny asabotsy faha 11 febroary 2012 teo ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona sy ny fankalazana ny ...
JOBILY FAHA 30 TAONA NY KTLM JOBILY FAHA 30 TAONA NY KTLM FANOMBOHANA NY JOBILY FAHA 30 TAONAN’NY KTLM ANTOKOMPIHIRA "TROMPETRA FANANTENANA".Nomery 10-10a: "Ary amin'ny andro fifalianar...