|
 |
Miarahaba anao vita soan’ny Krismasy 2011 ary nahatratra ny Taona Vaovao 2012! Isaorana an’Andriamanitra lehibe ny nahazoantsika nankalaza ny Krismasy Fiadanana, izay mbola mitohy hatramin’ny 29 Janoary 2012. Nahafeno fifaliana sy fiadanam-po tokoa ny nankalazantsika ny andro Taom-baovao izay sady Alahady loha-volana no Epifania, no andron’ny Misiona. |
Mananjara tokoa isika amin’ity taona ity fa Alahady efatra manaraka ny Epifania no hibanjinantsika ny famirapiratan’ny voninahitr’i Kristy sy ny misionany; Epifaniany izay miseho amin’ny fiainana andavan’andro, ka mitaratra ny fiainantsika isan’andro koa amin’ny maha-Fiangonana Misionaly antsika.
Isaky ny Alahady tolakandro, ny 15, 22, ary 29 Janoary 2012 dia hitohy ny fankalazana Krismasy ataon’ireo Faritra 15. Asaina ianao mba handray anjara amin’ireo fankalazana ireo. Asaina koa ianao hiombombavaka sy hiara-mitombo amin’ny fotoan’ny ISAN-TELO VOLAN’NY FILEOVANA, izay hatao ny 27, 28 ary 29 Janoary ao amin’ny FLM Fanantenana 67 ha. Hifampahery amin’izany isika Fileovana Fahamarinana manontolo; “koa aza mahafoy ny fiarahantsika miangona” (Heb 10:25). Ny Alahady 3 voalohany amin’ny Febroary dia hiaina ny “fitomboana amin’ny fanantenana” ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra isika (ny Septuagesime, Sexagesime ary ny Quinquagesine). Ho maitso ny loko litorjika hanamarihana izany fitomboana amin’ny fanantenana izany.
Ho tsarovantsika am-bavaka maharitra ny fivoriana manokana izay hataon’ny Komitin’ny Synoda (SPAnta) ny 22 sy 23 Fabroary 2012. Amin’izany fivoriana izany no hifidianana izay ho tompon’andraikitra vaovao hitondra ny Synodam-paritany sy ny Fileovana ary ny Sampana mandritra ny efatra taona indray. Izany fotoana izany (22 Febroary) dia hanamarika koa ny fiandohan’ny Karemy, dia ny Alarobian’ny lavenona izany.
“Ary ny Tompon’ny Fiandanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra” ( II Tes 3:16a).
Pastora Dr. Péri RASOLONDRAIBE, Mpitondra Fitandremana |