FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
SYNODAM-PARITANY ANTANANARIVO
FILEOVANA FAHAMARINANA 67 HA

>>>
English version
Version Française
Teny Malagasy
English
Français
Malagasy

     
  Fotoam-pivavahana isan'Alahady: 06 ora sy sasany maraina
10 ora sy sasany atoandro
03 ora tolakandro
 
     
             
 


Miarahaba anao indray mamangy ity takelaka ifampizarana vaovao mahafaly ity. Miarahaba anao vita soan’ny Paska ary hibanjina tsy ho ela ny fankalazana roa sosona, dia ny andro Niakaran’ny Tompo ho eo ankavanan’ny Ray sy ny andro Pentekosta. Samy fotoan-dehibe amin’ny fiainan’ny Fiangonana ireo fankalazana roa ireo.

Ny andro Niakaran’ny Tompo ho eo ankavanan’ny Ray dia mampatoky antsika fa tanteraka tokoa ny fanavotana antsika ary manakaiky antsika aminb’ny fahasoavany fa tsy amin’ny fitsarany Andriamanitra. Kristy nandresy ny fahafatesana nefa mbola mitafy ny maha-olombelona no herin’ Andriamanitra itondrany izao tontolo izao, sy ny fiainantsika tsirairay koa. Tsy Andriamanitra tsy fantatra na vahiny antsika no mitondra ny fiainan’izao rehetra izao fa Andriamanitra ao amin’I Kristy. Vaovao mahafaly raisintsika amin’ny fisaorana amin’ny Andro Niakarana izany.

Ny andro Pentekosta, ankalazantsika ny fanomezan’ny Tompo ny Fanahy Masina, araka ny teny fampanantenana nataony (Jn 14) dia manamarika ny fanamasinan’ Andriamanitra ny Fiangonan’i Kristy hiroso mavitrika amin’ny misionan’ Andriamanitra (missio Dei) eo amin’izao tontolo izao. Toy ny niasan’ny Fanahy Masina mahery tamin’i Jesosy Kristy, na tamin’ny fiainany na tamin’ny asam-panavotana nataony, dia toy izany koa no iasan’ny Fanahy Masina amin’ny Fiangonana.

Eto amin’ny Fiangonana Fanantenana 67ha, dia miomana ho amin’ny fankalazana ny Pentekosta isika. Manomboka ny Alarobia 30 Avrily, amin’ny 06:00 ora hariva ny fiomanana. “Fanahin’ny Fahamarinana araka ny Filazantsaran’i Jaona” no hodinihina. Mandritra ny herinandron’ny Fanahy Masina, 05 – 09 Mey dia hisy fandalinana Soratra Masina isaky ny hariva amin’ny 06:00 ora. Boky dimy ao amin’ny Soratra Masina no hodinihina mba hahafantarantsika bebe kokoa ny amin’ny Fanahy Masina: Asan’ny Apostoly, Romana, I Korintiana, Galatiana, Efesiana.

Manantena anao hiara-mikaroka sy mamantatra amin’ny Fiangonana amin’ireo fotoana ireo. Manàna Pentekosta feno Fiadanana amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

     

 

Andraikitry ny Pastora:
Ho hitanao ato ireo andraikitry ny Pastora ato amin'ny Fitandremana...>>>

Fampianarana Soratra Masina:
Andro niakarana 2008 ...>>>

a Sangan'asa hiran'ireo Antokompihira:
Trompetra Fanantenana (hira)...>>>

Maintimolaly (hira)...>>>

Vokovokomanga (hira)...>>>

z Paska 2008 Akon'ny Paska
  Akon'ny Alatsinain'ny Paska

z Pentekosta 2008 Programa Pentekosta 2008
 

e Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta):
Tanteraka soa aman-tsara ny fifidianana teo anivon'ny Synodam-paritany Antananarivo ny 19-21 Febroary lasa teo...>>>

r Fileovana Fahamarinana 67 ha:
Ireo tompon'andraikitra...>>>
Akon'ny isan-telovolana tao FLM Arivonimamo...>>>

 
             

© Copyright 2008 Site Officiel Fitandremana Toby Fanantenana 67 Ha Tél: 00 261 (0) 20 22 324 45 / B.P: 72 Antananarivo 101 / MADAGASCAR
E-mail: webmaster@flm67ha.org / SiteWeb: www.flm67ha.org